raki-tantara

NY HAZOFIJALIAN’NY MPANARA-DIA AN’I KRISTY ARAKA NY MATIO 16. 24

bozzy | 08 Aprily, 2008 15:27

NY HAZOFIJALIAN’NY MPANARA-DIA AN’IKRISTY ARAKA NY MATIO 16. 24Rev. Dr Jean A. Ravalitera  Inona no hazofijalian’ny mpanara-dia an’i Kristy ?Miainga voalohany avy amin’ ireo tanisain’nyTenin’Andriamanitra nampanoratany ny mpanompony ireo ny valiny omena antsika :- Fahoriana : fahorian-tsaina, fahoriam-panahy, fahorian’ny nofo akory aza. Ny teny frantsay milaza izany fahoriana izany amin’ny hoe « Tourmente », ary teny anglisy milaza azy kosa hoe « Trouble». Izay rehetra miteraka fikorontanana ka tsy ananan’ny olona filaminan-tsaina fa mahatonga ahiahy, tebiteby (angoisse, stress) izany. Omentsika mpino anarana koa io, araka ny lazain’ny Soratra Masina hoe « fizahan-toetra », na « fitsapana », ary « famaizana » koa aza. Hoy ny epistily ho an’ny Hebreo milaza ny momba io tsaroan’ny mpanara-dia an’i Kristy io : « Famaizana no anton’ny iaretanareo ; Andriamanitra mitondra anareo tahaka ny zanaka; fa aiza moa izay zanaka ka tsy faizan-drainy ? Fa raha tsy faizana tahaka ny itondrana azy rehetra ianareo, dia zazasary fa tsy zanaka » ( Hebreo 12. 7-8). Iza no mpanara-dia an’i Kristy ka tsy nahatsapa izany teo amin’ny fiainany ? Aza raisina ho famaizana avy amin’Andriamanitra avokoa kanefa ny zava-mitranga manahirana rehetra. Misy ny andraikitra avy amintsika olombelona mihitsy. Te hitarika ny sainareo aho handalina kokoa ny fiavahan’ny fahadisoana (faute) sy ny fahotana (péché). Ny fahadisoana (faute) dia ateraky ny fitsipi-pitondrantena atsangan’ny fiaraha-monina. Tsy maintsy arahin’izay rehetra manaiky hiara-monina izany. Ny fahadisoana noho ny tsy fanarahana izany fitsipi-pitondrantena izany dia mitaky famaizana mba hanitsiana izay diso. Ny fahotana (péché) kosa, mihoatra noho ny fahadisoana dia ateraky ny avonavom-po, finiavana tsy hanao izay tokony hatao mihitsy, mikiry amin’ny ratsy manoloana ny tsara. Ny fahotana dia mitaky fiovampo, satria tena asan’ny devoly izany. Ny fahotana lehibe indrindra dia ny tsifinoana, fandavana an’Andriamanitra. Fibebahana ihany no manafaka amin’ny fahotana : fiverenana amin’Andriamanitra, fanekena ho vonjen’i Kristy, fa tsy mahavonjy tena isika. Hoy ny hirantsika milaza mazava ny fibebahana, hoe : « Ry zaza mpiodina mba miverena ! Antsoin’ny Ray… » ( Hira 409).Eo anatrehan’ny fahoriana tsapan’ny mpivavaka marina, ny mpanara-dia an’i Kristy , tsaroana ny tolokon’ny mpanao Salamo hoe : « Saiky nibolasitra ny tongotro; solafaka ny diako, satria nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy » (Salamo 73. 2,3). Ny mpanao afera maloto eto amin’izao tontolo izao mitombo harena, toa miadana.Kanefa ianao mpanompon’Andriamanitra sy miezaka hanao izay mahatoky eo anatrehany tsy ilaozam-pahasahiranana, mihafy, « migalera » araka ny fitenintsika azy ankehitriny. Miroborobo ny fandrosoan’ny fanaon-javatra ratsy eto amin’izao tontolo izao, kanefa ny asam-piangonana mila hitsipozipozy.Mahavita zava-dehibe ny association samihafa atsangan’ny olona hikendreny tanjona araka izay irin’ny fony, fa sahirana kosa ny kristiana mihevitra izay hanohanana ny asa fitoriana ny Filazantsara sns. Tena « hazofijaliana » entin’ny mpanara-dia an’i Kristy izany. Na dia eo aza ny finoana sy ny hafanampo, mila alaim-panahy ihany indraindray. Hoy ny hira noforonin’Itompokolahy Razafimahefa rainy, mpitandrina tao Manarintsoa Ambositra : « Na ho voky na ho noana ny mpanomponao, tsy handà ny fanompoana nametrahanao.Sitrakao ny fihafiana ka mba tiako koa ; zakanao ny tsi-fisiana ka zakaiko koa » (Hira FFPM 283/3). Hiraina amim-po mafana izany, ry havana, kanefa indraindray ovain’ny sasany mangingina ny tononkira hanjary hoe : « Raha ho voky fa tsy noana…Sitrakao ny fitafiana ka mba tiako koa; zakanao ny fihariana ka zakaiko koa ».Fetsy ny devoly manova hevitra. Mahatonga fahoriana koa ny fahadisoam-panantenana satria matetika alaim-panahy isika hijery ny hita fotsiny ihany fa ny tsy hita ihany koa.Voafetran’ny toerana sy ny fotoana isika eo amin’ny fanatanterahan-javatra. Matetika dia terentsika hiditra ao anaty lasitra (cadre) araka ny fisainana sy izay mifanaraka amin’ny ekentsika ny zavatra rehetra.

Sarotra ny «maka recul» araka ny fiteny ankehitriny, izany hoe minia miala amin’ny toerana sy ny fiheverana mahazatra fa miezaka mijery amin’ny fomba vaovao tsy arahin’ny fananana hevitra efa apetraka mialoha (préjugés). Loharanon’ny fahadisoam-panantenana kanefa io tsy fahaizana maka fomba fijery hafa noho ny mahazatra io.

 - Fahantrana : Tsy ny tsy fahampian’ny entimanana na ny fananana amin’izao tontolo izao ihany akory no lazainaamin’izany, fa mahasahana amin’ny lafiny maro tokoa : fahantrana namana, fahantranaolona itokiana sy iaraha-miasa.

Tsaroana ho fahantrana koa ny fanerena hiasa mafy mba hahazoana « vokatra kely sitrany ahay » na dia tsy mahafa-po sy tsy ampy aza. Hoy ny teny frantsay milaza izany hoe « dépouillement », ary ny teny anglisy indray milaza azy hoe «hardship». Fihafiana hoy ny dikanteny Iombonana amin’ny Baiboly Malagasy (DIEM). Tena hazofijaliana entin’ny mpanaradia an’i Kristy izany, kanefa kosa dia marina tsy isalasalana ny toky nomen’ny Tompo hoe : « Aza manahy… fa katsaho aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. Ary amin’izany dia aza manahy ny amin’ny ampitso ianareo; fa ampy ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an’ny andro ny ratsy miseho ao aminy » (Matio 6. 25-34).

 - Fanenjehana : Misy ny fanenjehana ataon’ny fahavalo efa fantatra, fa misy koa ny fanenjehana mafimafy kokoa sy tenamangidy ataon’ny mody miseho ho namana kanefa sakaiza manody, mpamadika, mpanao longoa mitotoa bozaka, hoy ny fitenin’ny razantsika (piège mortel). « Persécution », hoy ny tenyvazaha. Ny mpanenjika dia mahita fifaliana amin’ny fahorian’ny enjehiny. Mety misy ny fanenjehana ateraky ny tsy fahalalana.Lalam-piainana manko ny tahotra ny tsy fantatra, ny heverina fa manelingelina ny efa miorina, ny mahazatra ; koa fiarovan-tena ny fanenjehana izay manao hafa noho ny fanaon’ny maro. Izany no nahatonga ny fanenjehana ny kristiana maro tany aloha ka nisian’ny maritiora mihitsy aza. Fa ny fanenjehana koa kanefa dia ateraky ny fankahalana, ny tsy fitiavana.Mitady pitik’afo hotsofiny ny devoly hampidedadeda ny afon’ny fankahalana ka mampirehitra ny fanenjehana ny mpanara-dia an’i Kristy. Iainan’ny mpino mandrakariva izany fanenjehana izany. Ny Tompo mihitsy no efa nampiomana hoe : « Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany alohanareo. Raha naman’izao tontolo izao ianareo, dia tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao ianareo. Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe :ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa…»(Jaona 15. 18-20).Tsy ny mpanara-dia an’i Kristy mihitsy kanefa no mihantsy fanenjehana ho azy. Tsy azo atao fialokalofana hanaronana ny faharatsiana hafa mety hataon’ny tena ny anaran’ny Tompo entina. Mazava ny tenin’ny apostoly Petera, hoe : « Sambatra ianareo, raha haratsina noho ny anaran’i Kristy; fa ny fanahin’ny voninahitra, dia ny Fanahin’Andriamanitra , dia ny Fanahin’Andriamanitra mipetraka ao aminareo. Fa aoka tsy hisy eo aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an’olona (mpitsabaka amin’ny raharahan’olona, hoy ny DIEM). Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza an’Andriamanitra amin’izany anarana izany. » (I Petera 4. 14-16). Tany aloha dia anarana fanesoana izany hoe « Kristiana » izany. Heverin’ny olona fa adala ny mpanara-dia an’i Jesoa avy any Nazareta. Noheverin’ny jiosy fa «diso finoana», ary noheverin’ny Romana ho mpikomy manaraka andriana nampanjaka hafa noho i Kaisara. Nosokajiana mihintsy ho «sekta» ny kristiana tany aloha.

Fa efa namboarin’Andriamanitra ho tonga anaram-boninahitra kanefa izany ankehitriny. Ny mihambo ho kristiana indray no betsaka, ka manenjika ny tena kristiana. Fa mbola misy koa ny manesoeso ny kristiana satria heverin’ny miseho ho manampahalalana fafinoanoam-poana izany fivavahana izany.

(Santionan-dahatsoratra nivoaka tao @ Gazety FAFY Laharana faha 8, Telovolana voalohany 2008, pejy faha 9)

 (tohiny)

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb